Karate. Lany hitantana ny seksiona Karate-do Ambatondrazaka, Randriamahanoro Nirina Willy. Fifidianana notontosaina, omaly, tao amin’ny DRJS Ambatondrazaka, ka klioba 5 no tonga nandatsa-bato. Ny 6 oktobra izao no hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Alaotra Mangoro.
Basikety “Road to BAL”. Tsy ho avy eto Madagasikara hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL”, ny ekipan’ny Roche-Bois Warriors avy ao Maorisy. Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 6 hatramian’ny 8 oktobra ho avy izao.
Hotanterahina anio, ny andro fahefatra ho an’ny vondrona “A”, amin’ny “World Rugby Cup 2023” izay atao any Frantsa. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’i Italie sy Nouvelle Zelande. Araka ny fikarohana natao, ny kianjan’ny Parc OL no handray ny fihaonan’ny roa tonta.
Nivoaka, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Liga, ny anaran’ireo mpilalao dimy voalohany mendrika indrindra tamin’ity volana ity. Raha ny navoakan’izy ireo, ilay Poloney, Robert Lewandowski, lohalaharan’ny FC Barcelone no mitana ny laharana voalohany raha toa ka faharoa ilay anglisy, Jude Bellingham, milalao ao amin’ny Real Madrid.