Tenisy – “ITF World Tour Juniors” : hatao eto Madagasikara ny fifaninanana

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena miisa roa ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hotanterahina eny amin’ny kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT) Ilafy, ny “ITF World Tour Juniors”. Fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Manana ny lanjany lehibe izy ity satria hahazoana isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena.
Lalao ho an’olon-tokana lahy sy vavy, olon-droa lehilahy ary olon-droa vehivavy no hifaninanana mandritra izany. Mizara roa miavaka tsara ity “ITF World Tour Juniors” ity. Fihaonana voalohany, hatao ny 2 ka hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao ary ny faharoa hotontosaina ny 9 ka hatramin’ny 13 oktobra 2023.
Anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena, Andriantefi­hasina Mirija, nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U14 natao tany Maraoka farany teo. Eo koa i Iriela sy i Mitia ary i Diary sy i Noah, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Mpilalao manana ny hoaviny avokoa izy ireo.
Ankoatra an’i Madagasikara, handray anjara i France, Nouvelle-Zélande, Inde, Croatie, Espagne, Afri­que du Sud, Maurice, Côte d’Ivoire. Tsiahivina fa avy hatrany dia tabilao lehibe izy ity, izany hoe lalao ampaha-32n-dalana avy hatrany. Mivoaka ho mpandresy izay mahazo seta 2 voalohany.

Tompondaka

Partager sur: