Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany.
Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mitentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, ny fanaovana lavadrano fisotro sy siniben-drano, ny fanamboarana lalan-tany ho an’ny toerana lavitra, ny fanorenana trano fonenana sahaza ho an’ny tokantrano miisa 120. Eo koa ny fanomezana fitaovam-pamokarana, mirefy 160 ha ny velaran-tany hambolen’ny fianakaviana, sy homena taratasin-tany.
Mikasika ny lafiny tontolo iainana, mahatratra 2 000 ha ny velaran-tany harenina sy harovana. Hampiasana ny teknika fambolena zavamaniry hiaro ny nofontany sady ho azo hamokarana.
Natolotra omaly, ny fiarakodia, 4×4, miisa telo sy moto roa, hampiasain’ny Tetikasa “Picas 1”.
Njaka A.
*Picas : Pôle Intégrée de Croissance Agroindustrielle dans le Sud de Madagascar
**U.C : Unité de Compte
(1 U.C = 0,001 dolara)