Tafakatra 94,5 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 72 dolara tamin’ny jona 2023 teo. Milaza ny mpahay toekarena iraisam-pirenena fa mety hisondrotra io vidiny io, satria hiditra amin’ny ririnina ny any amin’ny ilabolantany avaratra.
Manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao ny “Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono” (FEPA), andiany faha-15 izay atao eny amin’ny MPE Nanisana. Tanjona ny ho fampiroboroboana ny toekaren’ny tantsaha sy ny seha-pihariany.
Nankalazaina omaly, ny Andro maneran-
tany ho an’ny fizahantany. Lohahevitra noraisina ny “Ny fizahantany ho an’ny famatsiana maitso”. Miresaka ny Nosy sy ny Malagasy ary ny zava-mananaina eto amintsika ho an’ny fampandrosoana maharitra..
Hatao ny 9 hatramin’ny 15 oktobra ho
avy izao ny fivoriamben’ny FMI sy ny Banky
iraisam-pirenena. Notazonina ihany ity fotoana ity, na teo aza ny loza, horohorontany nianjady tamin’i Maraoka.