Rado, mpanoratra. Io no ahafantaran’ny maro an’Andriamanantena Georges. Tsy izay ihany anefa fa andrarezin’ny kabary izy. Maro tamin’ny sanganasany no lasa tononkira. Mpitendry zavamaneno tahaka ny orga sy ny piano ihany koa i Rado…
Antoko mpihira maro no mihira ny hira noforonin-dRado. Iray amin’ireny ny Amboaram-peo Faravohitra. Ny alahady 1 oktobra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro, hanatanterahina ny «Hiram-bavaka». Hihira ireo sanganasany ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ity antoko mpihira ity. Raha tsiahivina, anisan’ny nitendry orga tao amin’io fiangonana io i Rado. «Tsapa fa ny feonkira noforoniny dia mifandray amin’ny fitaovana notendreny (piano, orga). Nahafinaritra be ny nanaovany feon-kira amin’ny orga, indrindra fa ny mitondra ny marika «Hammond»», hoy ny nambaran’ireo nahita azy nitendry, tamin’izany fotoana izany.
Anisan’ny mampiavaka an-dRado ny fahaizana ny teny malagasy. Manana akony lehibe any amin’ireo izay mamaky na maheno ny sanganasany izany.
HaRy Razafindrakoto