Afaka enina andro, hiatrika ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izay atao any Afrika Atsimo, ny 4 – 15 oktobra ho avy izao ny Barea.
Tonga nitsidika azy ireo omaly, teny amin’ny Ivontoerana Carion, ilay kandidà hanao komity mpanatanteraka ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rajeriarison Patricia.
Nanolotra fanampiana toy ny kiraro “godasse” sy baolina entina manao fanazaran-tena ity kandidà ity, ary nitsodrano azy ireo ho lasa alavitra amin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa ny taona 2019 no nandraisan’i Madagasikara anjara farany tamin’ity “Cosafa Women’s Cup” ity.
Tsara ny mampahafantatra fa ny 1 oktobra ho avy izao no hanainga eto an-tanindrazana hihazo an’i Afrika Atsimo ireo Malagasy 23 mpilalao sy ireo “Staff” izay tarihan’i Théodore Béatrice, mpanazatran’ny vehivavy Barea.
Tsara marihina fa miisa 12 ireo firenena handray anjara amin’ity Cosafa ity. Notsinjaraina anaty vondrona telo, A, B, C. Ao amin’ny sokajy “A” no misy an’i Madagasikara, Afrika Atsimo, mpampiantrano, Malawi ary Eswatini.
Fitia