« Du Jardin à la Table »: tombony ho an’ny mpisehatra eo amin’ny haify

Omena lanja mandritra ny telo andro eny amin’ny AFT Andavamamba ny tontolon’ny haify sy ny zaridaina ary ny fambolena. Ankoatra ny fampirantiana dia ho hita eny koa ny atrikasa sy ny fampiofanana

Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Anda­vamamba, ny hetsika lehibe «Du Jardin à la table». Mifanome fotoana eny an-toerana ireo mpisehatra eo amin’ ny tontolon’ny haify sy ny fambolena, ao anatin’ny telo andro. Hetsika hanehoan’ireo mpisehatra ny talentany sy ny fahaiza-manaony. Ankoatra izay, omena lanja manokana mandritra izany ihany koa ny tontolon’ny fambolena. Atri­kasa, varotra fampirantiana, fizarana traikefa no hameno ny fandaharam-potoanan’ny hetsika «Du jardin à la table».
Ny «Salon de la Gas­tro­nomie» sy ny «Salon du Jardin» no natambatra ho iray, ao anatin’ity hetsika ity. Nampiavaka ny andro voalohany, omaly, ny seho nanehoana hakingana sy ny talenta amin’ny fikirakirana zava-pisotro, fanao amin’ny toeram-pisotroana. Nisy ihany koa ny atrikasa fampianarana ny olona amin’ny fifehezana ny fako.
Tsy ambakan’izany anefa ny hiseho anio, amin’ny fampianarana sy fampiofanana iarahana amin’ny matihanina eo amin’ny fanaingona latabatra fisakafoana. Eo ihany koa ny momba ny fambolena miaraka amin’ny teknika vaovao. Ny AFT, miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-mi­ombon’antoka maro samihafa no mikarakara ny hetsika

Lin

Partager sur: