Famarinana olona : anatin’ny lisitra faharoa arahi-maso i Madagasikara

Tato anatin’ny roa taona nifanesy, tafiditra ao anatin’ny lisitra arahi-maso sokajy faharoa ny laharana misy an’i Mada­gasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olona an-tsokosoko. Fantatra izany araka ny tatitra avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina momba ny famarinan’olona.
Ny alarobia teo koa no nitsidika ny mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, ny delegasiona avy amin’ny sampandraharahan’ny departemantam-pan­jakana amerikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny famarinana olona, Justin Pollard sy Kerry McBride ary Carmen Corbin. Teo koa ny mpiara-miasa aminy avy amin’ny biraon’ny Firenena mikambana misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (UNODC) aty Afrika Atsinanana sy Madagasikara.
Vontoatin-dresaka ny ezaka hiadiana amin’ny famarinan’ olona sy ny fandraisan’andraikitr’i Madagasikara manoloana io laharana io amin’ireo mpisehatra eto an-toerana avy amin’ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Manohana tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara ny UNIDOC izay miompana amin’ny fanamafisana fahaiza-manao miantefa amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpampanoa lalàna ary ny mpitsara. Tanjona ny hahafahan’izy ireo manadihady sy manenjika ary manasazy ireo nahavanon-doza.
Misahana ny tetikasa vatsian’ny governemanta amerikanina vola, mifantoka amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny ady amin’ny famarinana olona, ihany koa ny UNIDOC.

Tatiana A

Partager sur: