Manomana sahady ny taom-pambolenkazo 2023-2024 ny orinasa Sumitomo. Manome masomboly sy kojakojan-janakazo ho an’ny VOI miisa efatra any amin’ny kaominina Ambohibary Moramanga izy ireo.
Natolotra ny Vondrona olona ifotony (VOI) any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny 27 septambra teo, ny fitaovana fikarakarana zanakazo sy ny fampisehoana ny fanamboarana fatana mitsitsy Kamadoo. Nisy koa ny kitapon-janakazo miisa 2 500 sy masombolin-janakazo 5 kg ho an’ireo VOI miisa efatra ao anatin’ny kaominina Ambohibary sy ho an’ny fari-piadidian’ny Rano sy ny ala (Ciref) Moramanga. Avy amin’ny orinasa Sumitomo Corporation, manana renivola be indrindra ao amin’ny tetikasa Ambatovy ireo fanampiana ireo. Ho fandraisany anjara amin’ny fanohanana ny VOI hikajiana ny tontolo iainana sy ho fiarovana ny nofon-tany.
Mifanaraka amin’ny Vinan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ity hetsika ity. Sady manamafy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina amin’ny alalan’ny orinasa Sumitomo ary ny orinasa Ambatovy, izay efa mpiara-miombon’antoka amin’ ny VOI hatramin’izay.
Fatana mitsitsy japoney
Maro ny nanatrika ny fotoana, toy ny solontenan’ny Dredd Alaotra Mangoro, ny ben’ny Tanàna Ambohibary, ny delegen’ny kaominina Ambohibary, ny tale jeneraly (DG) ny Sumitomo, ny solontenan’ Ambatovy, ny ONG Mamafy Soa ary ny mpikambana VOI efatra.
Nilaza ny DG ny Sumitomo, Kawaura, fa mifanandrify amin’ ny fanomanan’izy ireo ny taom-pambolen-kazo 2023-2024 ity natao tany Ambohibary ity. Nasehon’ny ONG Mamafy Soa tamin’ity fotoana ity koa ny fomba fanamboarana ny fatana mitsitsy Kamadoo, teknika japoney, tsy mandany kitay sy saribao.
Njaka Andriantefiarinesy