Natolotra omaly 28 septambra, ny fiara sy moto ao anatin’ ny Fandaharanasa fanamafisana ny rafi-panjakana, hampiroboroboana ny fanatsarana ny fambolena (Rindra). Manohana ity fandaharanasa ity ny Vondrona eoropeanina (UE).
Ahitana fiara 4×4 miisa 4, (karazany station wagon), 4×4 miisa 2 (SUV) ary moto miisa 16 ireo fanampiana ireo, hampiasain’ny Tantsoroka ho an’ ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny tontolo iainana (AEPE) ao amin’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd).
Hanamora ny asan’ny tomponandraikitry ny minisitera roa, indrindra ireo midina eny ifotony, mandeha any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana ireo fitaovam-pitaterana ireo. Tanjona ny hanafainganana ny fanatanterahana ny asa, mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena sy ny lafiny tontolo iainana.
Ankoatra ny fampitaovana, toy izao, anisan’ny andraikitry ny fandaharanasa Rindra koa ny fanatsarana ny rafi-panjakana, amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao, sns.
Njaka A.