FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta teny Mahazoarivo, ny iraky ny ONU, tarihin’i Parfait Onanga-Anyanga. Naharitra ora 2 ny fihaonana momba ny ho fiatrehana ny fifidianana. Nihaona tamin’izy ireo koa avy eo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Niaraha-nidinika ireo dingana samihafa amin’ny zotram-pifidianana.
Manentana ny Malagasy hiaraka hifanome tanana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahatante Paubert. Ny fifidianana irery ihany no hampisy fitoniana ary tsy maintsy hatrehana izany. Manome tanana ny Ceni ahazoana manatanteraka ny fifidianana ny governemanta ifarimbonana. Araka ny tetiandrom-pifidianana efa napetraka neken’ny rehetra.
Voahitsakitsaka ny lalàna mamaritra ny zo hisitraka vaovao an-kalalahana, araka ny fanambaran’ny eo anivon’ny FES Madagasikara, omaly. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy hita taratra ny maha tany demokratika an’i Madagasikara raha izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao no jerena.
Betsaka ny fanovana ny fomba fiasa sy ny famoahana didy eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana. Anton’ny atrikasa any Toa­masina iarahana amin’ireo mpitsara ao amin’io rafi-pitsarana io izany ary natrehin’ny minisitra Randria­ma­nantenasoa Landy. Matetika tsy mitovy ny didy mivoaka amin’ny tranga mitovy, araka ny nambarany.

Partager sur: