FEPA : mila jerena ny paikadim-pamokarana

Fototra manome asa sy andry iankinan’ny toekarena ny famokarana eto Madagasikara. Maro ny ezaka vita saingy mbola betsaka ny tokony hatao hampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ilaina ny paikadim-pamokarana ka manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mpiantsehatra rehetra hamahana ny olan’ny tantsaha. “Tsy misy ny tetikasa manokana momba ny fiompiana. Mitarika fahakivian’ny tantsaha ny tsy fandriampahalemana, tsy ampy ireo biby tsara karazana sy masomboly ho an’ny fambolena”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE), Rabarivelo Andriamananarivo. Nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FEPA), andiany faha-15, omaly, tetsy Nanisana no nanambarany izany. Midangana ny saram-pamokarana, tsy ampy ny fitaovana ampiasaina, tsy misy fiantohana mifanaraka amin’ny famokarana eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany. Ankoatra izay, tsy ampy ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny famokarana, ambany ny tahan’ny fanjifana. Miantraika mivantana amin’ny famokarana ny fiovaovan’ny toetr’andro ka mahatonga ny fiovan’ny taom-pamokarana. Ambany ny sandam-bola, ambany ihany koa ny fahefa-mividy. Ankilan’izay, mitady vahaolana hatrany ny MPE ho an’ny tan­tsaha sy ho an’ny sakafom-biby.

Henintsoa Hani

Partager sur: