Miaina ny teny malagasy. Mety hisy teny vaovao hipoitra eny antsefantsefam-potoana eny. Tsy azo adika ho fananan-karena eo amin’ny teny malagasy anefa ireny voambolana vaovao ireny. Ny antony?
Ny fandikana befahatany ny teny vahiny sy ny fanakarana an-jambany ny fomba fiheveran’izy ireny zavatra na tranga iray na maro no anisan’ny mamotika haingana ny teny malagasy. Tanàna mpirahavavy, hono! Fa iza no niteraka ireo tanàna lazaina fa mpirahavavy? Manan-dray sa manan-dreny ireo no lazaina fa mpirahavavy? Saika ahitana izany avokoa ny sehatra rehetra.
Ny haka tahaka vahiny no mibahana sy maha maika fa tsy ilay fanomezan-kasina ny teny malagasy, amin’ny alalan’ny fanajana ny foto-piforonana lalina tsy itambaran’ny Malagasy na amin’iza na amin’iza… Vokatr’io fihindramana ny foto-piforonana teny ananan’ny vahiny io, nanjary niteraka olona an-tapitrisa maro ny “reny”!
Mila ahitsy haingana ny diso
Tsy ny famoahana voambolana sy ny dikan-teny vaovao ihany no maha maika fa ny fanitsiana ny tahaka io tranga io. Mila omena vahana any amin’ny sehatra isan-tsokajiny ny fanarenana mba tsy sanatria efa lasa lalina sy mahazo faka vao hitadiavam-pangady. Tsikaritra fa efa manomboka tafatsofoka any amin’ny zavakanto sy kolontsaina ary fomba malagasy sasany, mantsy, ny fampiasana azy ireny ka sao sanatria hanamaivana na hamotika ny teny sy ny fomba fisainana malagasy nolovaina tamin’ny teo aloha.
Mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay ny fanitsiana. Anisan’ny manana anjara andraikitra goavana be amin’izany ny haino vaky jery. Tsy tokony ho re any amin’ny Radio, na ho voavaky any anaty gazety ary hita sy heno any amin’ny televiziona intsony ny “tanàna mpirahavavy”, “mirahalahy mianaka”, sns.
Lavina avy hatrany ny tsy izy
Tsy nanalavitra ny lamina voajanahary ny seha-piforonan-teny (anisan’izany ny anaran-javatra na olona, fomba filazan-javatra na tranga iray…), ho an’ny Malagasy. Noho izany, lavina marindrano avy hatrany ny mifanohitra amin’io sy ireo voambolana na anarana tongatonga ho azy.
Raha atao indray mijery, mety hanatsotra ny teny malagasy ny seha-piforonana ananany. Saingy rehefa tena dinihina tsara, mirakitra zava-dalina sy saropady maro be ny teny malagasy. Izay no nampanan-kery goavana be azy amina tsodrano na hozona, sns.
HaRy Razafindrakoto