Frantsa: fivoriana mikasika ny akora ambanin’ny tany

Natao tany Paris Frantsa, omaly 28 septambra, ny Fihao­nambe an-tampony mikasika ny akora fototra ambanin’ny tany manan-danja sy ny angovo azo havaozina. Nanatrika ny fotoana ny mpisehatra isan-tsokajiny avy amin’ny firenena 50, toy ny firenena mpamokatra sy ny mpanjifa ny akora, ny mpitondra fanjakana, ny mpitarika orinasa, ny mpampiasa vola, ny fikambanana iraisam-pirenena, sns.
Nodinihina miaraka ny hisian’ny tontolo azo antoka sy maharitra ary ny famatsiana ny akora fototra. Nojerena ny hanomezana vahana ny lanjan’ny akora fototra ambanin’ny tany ampiasaina amin’ny teknolojia, ny fanodinana ny akora, ny asa aterany. Anisan’ny ampiasana io akora voalaza io ny fanamboarana fiara elektrika, ny famokarana angovo azo avy amin’ny rivotra, ny avy amin’ny masoandro sy ny angovo madio samihafa.
Navoitran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herin­drainy Olivier, fa manana ny otrikarena ambanin’ny tany i Mada­gasikara. Sady ahitana karazany maro, toy ny nikela, ny kobalta, ny grafita, anisan’ny azo ahodina ho an’ny angovo madio. Ao anatin’ny firenena 10 mpamokatra grafita i Mada­ga­sikara. Mahatratra 60 000t isan-taona ny nikela ary 5 000 t/taona ny kobalta vokarin’Ambatovy.
Tsy mitsaha-mitombo ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tafakatra avo roa heny, 320 miliara dolara, ny filana tato anatin’ny 5 taona farany.

Njaka A.

Partager sur: