Miroso tsikelikely

 

Mandeha tsimoramora ny fikarakarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hatao ny volana novambra ho avy izao. Efa samy maharay tsikelikely ny karatra ahafahana mandatsa-bato sy mirotsaka ho fidina ny isam-
batan’olona. Ny mpanao fampielezan-kevitra savaranonando, manohy ny fitetezam-paritra. Hatramin’ny kandidà milaza fa manohitra ilay fifidianana aza anefa mihaona sy mandresy lahatra ny vahoaka eny ifotony.
Midika izany, fa samy mitady hirika hiarovana ny rambony ny mpanao politika. Mibaribary fa tsy misy mihemotra izany. Tsy mahagaga, raha misy kandidà efatra izao, manafatra helikoptera, hoentina manao fampielezan-kevitra. Misy nanao fangatahana ny hampidirana angidimby efatra be izao. Olona tsy handray anjara amin’ ny fifidianana ve hanao izany fandaniam-bola be izany ?
Tsy tokony ho varimbariana amin’ny kilalaon’ny mpanao politika ny vahoaka tsimandadiharona. Mila miomana tsara amin’izay olona handrian’ny fony ka homeny ny vatony. Ny fifidianana tsy maintsy hisy na ho ela na ho haingana. Ny savorovoroan-kilantoana rahateo! Tany misy olobe tsy miady zaza rahateo, hoy ny fomba fiteny mahazatra antsika. Olona manam-panahy sy milaza ho baikoin’ny fitiavana ny taninjakana rahateo iretsy mpifaninana.
Miandry ny fahendren’izy ireny ny sarambaben’ny olona, izay tompon’ny teny farany amin’ny androm-pifidianana. Zava-dehibe ny ezaka ataon’ny mpitondra fanjakana hatramin’izao. Mifehy ny filaminam-bahoaka sy mitady hirika tsy hampihemotra ny fotoam-pifidianana.
Ezaka goavana ny famelana malalaka ny helikopte­ran’ny kandidà. Torak’izany ny kandidà sasany efa mamory vahoaka sy midina eny amin’ny arabe.
Taratry ny fahavononana hisoroka krizy hafa ankoatra ny adim-piainana izany. Misoko miadana ary heverina fa ho tratra ny tanjona : hanana filoham-pirenena vaovao i Madagasikara amin’ny taona ho avy.

r.r

Partager sur: