Naratra mafy ny lehilahy iray, voatsatoka antsy tamin’ny talata alina. Telo andro taorian’ny niadiavan’ny vehivavy roa samy sakaizany teny an-tsena. Asa, misy ifandraisany izany ?
Tovovavy roa mpirafivavy samy sakaizana raim-pianakaviana iray no nifandramatra sy nifampitolona, tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tamin’ny sabotsy. Nitangorona ny fokonolona nahita azy ireo nifampisaringo-bolo sy nifanakapokapoka tamin’ny tany. Fantatra nandritra izany fa raim-pianakaviana iray no hiadiavan’izy ireo.
Samy te ho tompon-drangahy. Voatery nantsoina tany an-tranony mihitsy ity raim-pianakaviana handamina azy ireo. Voalaza fa efa ela izy roa vavy ireto no niady toy izao. Samy tsy manaiky lembenana.
Telo andro taorian’izay, nisy nanatsatok’antsy tao Andranomadio Toamasina ilay rangahy nifandroritan’izy roa vavy. Naratra mafy izy ka voatery naiditra haingana tao amin’ ny sampana vonjy aina ao amin’ny Hopitalibe Toamasina. Manahy ny mponina sy ny mpitandro filaminana fa misy ifandraisany amin’ny ady ifanaovan’izy roa vavy mpirafy ireto ity herisetra ity. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ ny hopitaly ilay raim-pianakaviana niharam-boina, hatramin’ izao.
Anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, satria misy lehilahy iray hafa koa tafiditra amin’ity olam-pitiavana ity. Nandritra ny adin’ izy roa vavy tamin’ny sabotsy, nisy tovolahy hafa niditra an-tsehatra. Sakaizan’ny iray amin’ireo tovovavy nifandramatra izy. Teo vao nahafantatra ilay tovolahy fa nampirafesina. Nivonona ny hiady tamin’ ilay raim-pianakaviana ihany koa izy. Saika ady roa samihafa no niseho teo an-toerana tamin’io fotoana io. Manoloana izany niditra an-tsehatra namaha ny olana ny fokonolona nanatri-maso.
Sajo/J.C