Ho tontosaina eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, anio, ny fampisehoana «Concert Piano-Voix», iarahana amin’i Nicolas Séguy, Frantsay mpahay kanto. Vonona hanome fahafaham-po ny mpijery, indrindra ny mpankafy zavamaneno Piano, ny tsara indrindra avy aminy i Nicolas Séguy, mandritra ity seho ity. Ny fikambanana Madagaslam, miaraka amin’ny IFM no mpikarakara. Hisy fizarana roa ny fampisehoana ka ny tapany faharoa no hanehoan’i Nicolas Séguy ny fahaiza-manaony sy ny talentany.
Ny feon’ity Frantsay mpahay kanto ity, ravahin’ny feona Piano no hanakoako ao amin’ ny efitrano Albert Camus, IFM Analakely, anio. Ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Ankoatra ny fampisehoana, hameno ny fandaharam-potoanany koa ny atrikasa sy valandresaka amin’ny maha mpahay mozika matihanina azy. Nisy ny fizarany traikefa sy fahaiza-manao tamin’ireo mpandray anjara amin’ny “Slam national 14”. Hisy ihany koa ny ho an’ny olona tsy ankanavaka anio, ao amin’ny IFM Analakely hatrany. Hizara sy hiresadresaka amin’ny rehetra ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny mozika kosa izy ny sabotsy 30 septambra izao.
Eo amin’ny fanoratana sy ny tontolon’ny “Hip hop” no tena mampiavaka an’i Nicolas Séguy. Ankoatra izay anefa, manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny “Slam poèsie” ihany koa ity frantsay mpahay kanto ity, nitondrany ny anarana S Petit Nico. Ho an’ny fanoratana, anisan’ny angady nananana ny rakikira voalohany, an”i Grand Corps Malade izy, ary maro ny frantsay mpahay kanto efa niara-niasa taminy.
Lin