Lanonana roa sosona no notontosaina tetsy amin’ny Tranombokom-pirenena Anosy, omaly. Notolorana ny mari-boninahi-pirenena, “Chevalier de l’ordre national” Razafindrato Fela, fantatry ny maro amin’ny maha filoha mpitarika ny fikambanana Sembana Mijoro sy ny maha filoha nasionalin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara azy.
Niara-dalana tamin’izay ihany koa ny fampahafantarana ny boky mirakitra ny lalana nodiavin’i Fela Razafinjato teo amin’ny fiainany. “Ny diako” no lohateniny, izay maneho indrindra ireo lalantsaina roa voizin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, dia ny “asa sy ezaka” sy ny “Iray ihany isika”.
“Efa ela aho no nanam-paniriana ny hamoaka boky, hanamarihana ny 50 taonako. Ny diako, satria tena nanahirana, feno sakantsakana izany nanomboka tany amin’ny fianarana hatrany amin’ny fidirana eo amin’ny sehatry ny asa, ankoatra ny fiainana eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy sakana hampivoatra ny fananana fahasembanana”, hoy i Fela Razafindrato.
“Tsapako loatra ny hamaroan’ny zavatra miabo azonao zaraina amin’ny mpiara-belona amin’ny tantaranao. Mankasitraka anao manokana noho ny nataonao rehetra”, hoy kosa ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Rakotondrazafy Lalatiana, izay nanome ny mari-boninahitra.
Zo ny Aina