«Haisoratra: rakitry ny lasa, fanohitry ny ho avy». Tanterahina ny sabotsy 30 septambra 2023, tolakandro, ao Tsararano Mahajanga, ny «Alim-betso», karakarain’ny Faribolana Sandratra, sampana Mahajanga. Hetsika entina mankalaza ny faha-5 taonan’ity sampana iray ity. Fifampizarana eo amin’ny samy poeta, larona antsan-tonokalo no hameno ny fandaharam-potoana.
Princio- Afondasin’Andohalo. Handravaka ny hetsika “Afondasin’Andohalo” atao anio, eny amin’ny zaridainan’Andohalo, i Princio. Ankoatra ireo seho mahazatra mandritra ny hetsika dia hanaingo sy handravaka ny sehatra amin’ny alalan’ireo hira nankafizan’ny olona azy hatramin’izay, ity kintan’ny vazo miteny ity.
“Festivalina 2023”. Manome fahafaham-po ny mpankafy mozika mavesatra sy ny moto “Vintage” ny hetsika “Festivalina 2023” eny amin’ny Miandrahavana Alasora, atao ny takarivan’ny 30 septambra 2023. Hifampizara sehatra amin’izany ny tarika Loharano, Olo Blaky, The Dizzy Brains, Jah Roots ary Eth’nik Blue&Soul.
“4-maso Akou’skita”. Ambohipihaonan’ny mpankafy mozika tendrena ny eny amin’ny Le Ferme d’Antanandrano, ny takarivan’ny sabotsy 30 septambra 2023. Ankoatra ny fitsidihina ity toeram-piompiana ity. Hisy ny lalao sy sakafo samihafa, arahina afon-dasy sy fiarahana mikorana, ho afanain’ny tarika 4-maso.