Firenena anisan’ny maharaka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny tontolon’ny niomerika i Madagasikara. Ankehitriny, tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab, an’ny orinasa orange Madagascar. Nampahafantarina teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, omaly, ny momba ny 5G Lab. Fitaovana entina hanampiana ireo orinasa sy ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny niomerika hiomana amin’ny fampiasana ny tambazotra 5G. Tanjona ny hampiroborobo ireo orinasa sy ny olon-tsora manana tetikasa misehatra amin’ny niomerika.
Firenena faha-19 maneran-tany ary faha-3 eto Afrika misitraka ny Orange 5G Lab i Madagasikara, hamantaran’ ireo mpanjifa sahady ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny 5G. Fantatra nandritra izay fa tonga hatramin’ny 2Gbit/sec ny tanjak’ity tambajotra vaovao ity, raha 100mg bit/sec kosa ny tambajotra 4G. “Tsy mila mampiasa fibre optique intsony fa mahasolo an’ireo kojakoja samihafa ny vitan’ny 5G”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny orange Madagascar, Ratsimbazafy Harivola. Notohizany fa hiasa aorian’ny fahazoana alalana avy amin’ny fahefana mahefa ny tambazotra 5G.
Henintsoa H.