VAOVAO TAMBATRA

Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Mada­gasikara. Milanja 260 000 t monja ny vokatra eto amintsika ka mahatonga antsika manafatra izany. Mahavokatra 6 tapitrisa t isan-taona i Tanzanie raha mahatratra hatramin’ny 15 tapitrisa t isan-taona kosa ny vokatra azo ao Afrika atsimo.

Mitentina 31 tapitrisa dolara ny vola hananganana ny lalana mihantona, Fly Over, vatsian’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana aty Afrika (Badea), ny 28 tapitrisa dolara, sy ny fanjakana Malagasy
(3 tapitrisa dolara). Lalana mampifandray ny lalan’ny Frankofonia, ny lalan’i Eoropa, ny “rond-point Makis”, ny tetezana Ampasika ary ny lalana VROT.

Hitohy ny fanadiovana ny ampahan’ny Lakan­dranon’iPangalana eo Mananjaray hatrany Fara­fan­gana, mirefy 205 km. Hisy ny fitaovana fanadiovana hovidiana, hanafainganana ny asa. Misy koa ny fanajariana mahazatra ny ampahany Toamasina-Manan­jary, mirefy 432 km.

Tanterahina ao amin’ny Hôtel Hilton ao Saint Petersbourg, Russie ny Forum International de la Pêche et de l’exposition de l’industrie des Produits Halieutiques et des Technologies, andiany fahenina. Mifantoka amin’ny fiaraha-miasa sy hijery ny olana misy eo amin’ny sehatry ny jono ary ny vahaolana mifandraika amin’izany ny hetsika.

Partager sur: