Fantatra ireo Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu hiatrika ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, andiany faha-15, hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 11 novambra izao.
11 mianadahy, 10 lahy sy 1 vavy, no voatsonga tamin’ny fampivondronana 3 natao, ka hisolontena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity, eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu. Efa nanomboka ny 18 septambra no niatrika izany fampivondronana izany ny mpikatroka 22 mianadahy, nitohy ny 21 oktobra ny fampivondronana faharoa ary ny faran’ny herinandro teo ny fampivondronana farany, nahafahana nitily azy 11 mianadahy ireo.
Hizara 4 ny sokajy hifaninana mandritra ity “World Championship” ity, ahitana ny “Youth Jiu-Jitsu”, ny “Amateurs”, ny “Masters” ary ny “Professional”. Ny 3 amin’ireo ihany no efa fantatra fa handraisan’ny Malagasy solontena anjara, dia ny “Youth”, ny “Masters” ary ny “Professional”. Mbola eo am-pandinihana ny mahakasika ny sokajy “Amateurs” kosa ny eo anivon’ny komity.
Mbola tsy ampy ny hoenti-manana
Nanamafy ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu Bresilien fa mianto-tena sy hiantohan’ny mpanohana ny ankamaroan’ireo mpikatroka hihazo an’i Abu Dhabi ireo. Tsy mbola nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana rahateo hatramin’izao ny federasiona. Izany indrindra no hanaovan’izy ireo antso avo amin’izay malala-tanana mba hanampy hahafahan’izy 11 mianadahy manatanteraka ity fifaninanana ity. Ny faniriana, hoy ny avy eo anivon’ny federasiona, dia mba ho lasa daholo izy 11 mianadahy ireo.
Mi.Raz
Izy 11 mianadahy
Seraphin, Zo aina, Andy, Diary, Fifaliana, Tojo, Tsinjo, Rajo, Tafita, Nofy, Adriano.