« Ant’sary Doc Festival » : lasan’i Gaspard Geoffrey ny “Prix du Public”

Lasan’i Gaspard Geofrey, Malagasy mpanatontosa horonantsary fanadihadiana, ny amboara « Prix du Public», nandritra ny hetsika “Ant’sary Doc Festival” andiany voalohany. « Tavela » no lohatenin’ny horonantsary fanadihadiana nentiny nambabo ny fon’ny mpijery ka nahazoany izao amboara izao. Malagasy sy vahiny mpanatontosa, miisa 25 no nandray anjara tao anatin’ity fifaninanana ity. Ny 9 oktobra 2023 no hanolorana ny amboara ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana.
“Tavela”, horonantsary mitantara sy mampahafantatra ny momba ny “Morengy”, izay haiady iangaliana sy tanterahin’ny avy any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny. Tantarana tovolahy tafavoaka tao anaty fahantrana noho ny “Morengy” no narafitr’i Gaspard Geoffrey. Ankoatra izay, anisan’ny tena nambabo ny mpijery ihany koa ny fanehoana an-kanto ny hatsaran’iny faritra avaratry ny Nosy iny, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tena mbola malalaka ary tena azo trandrahana tsara ny fanatontosana horonantsary fanadihadiana eto Madagasikara. Maro ihany koa ny sehatra ilàna izany eto Madagasikara.

Lin

Partager sur: