Fampandrosoana ny toekarena : omena tosika ny sehatrasa madinika

Betsaka ireo manampahaizana hita amin’ireo sehatra madinika sy tsy manara-dalàna. Miezaka mamorona sy ma­navao ny asa tanany izy ireo. «Tokony hampirisihina sy tohanana izy ireo mba hampandrosoana ny toekarena ho an’ny firenena », hoy ny akademisianina sy mpampianatra any amin’ny université  de Kyoto, Dr Takahashi Motoki, nandritra ny fiofanana narahina velakevitra nokarakarain’ny JICA tetsy amin’ny hotel Colbert, afakomaly. Tsy ampy ny tohana eto an-toerana ka tsy mampivoatra azy ireo. Niainga tamin’ny orinasam-pianakaviana madinika sy tsy manara-dalàna avokoa ny ankabeazan’ny orinasa lehibe any Japon, ankehitriny.
Tsy omen-danja ny sehatra asa tsy manara-dalàna eto Madagasikara, raha ny zava-misy.
« Raisin’ny olona ho fahavalo izy ireny ka mampihena ny kalitaon’ny vokatra vita malagasy, ohatra amin’izany, ny taoka gasy », hoy ny mpahay toekarena, Dr Ramiarison Herinjatovo. Nilaza izy fa afaka mamorona sy manavao ary mitondra fanatsarana ireo mpisehatra any amin’ireo sehatra ireo mba ho lasa vokatra azo ekena sy manan-danja maneran-tany izany. Nohamafisiny hatrany fa afaka mivoatra sy mihatsara ny kalitaon’ny vokatra vita malagasy rehefa omena tosika ny mpanao taozavatra madinika sy tsy manara-dalàna. « Zava-dehibe ny fanajana ny asa tanana, fiovana ara-drafitra hatrany ifotony ho an’i Madagasikara », io ny lohahevitra nodinihina nandritra ny fiofanana nataon’izy ireo afakomaly.

Mino

Partager sur: