Natao ny 27 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra. Nandray anjara tao ny solontenan’ny minisitera voakasika, ny vondrona mpampiasa, ny sendika, ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpianatry ny oniversite, sns.
Nikarakara ny Better Work Madagasikara, fandaharanasan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) sy ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (IFC) ary ny Foibem-pikarohana toekarena mikasika ny angovo sy ny fampandrosoana maharitra (Cred). Laboratoara eny amin’ ny Fakiolten’ny Toekarena, ny fitantanana ary ny fiarahamonina, oniversite Antananarivo, ity farany.
Anisan’ny noresahana ny antoka amin’ny zo fototra any amin’ny toeram-piasana mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra, sy ny andraikitry ny mpisehatra hatrany amin’ireo mpamatsy akora fototra. Nodinihina koa ny mikasika ny fenitra iraisam-pirenena. Nilaza Rtoa Anne-Laure Henry-Gréard, mpanolotsaina teknika ny fandaharanasa Better Work, fa mivoatra ny fitsipika mifehy ny rohim-pamatsiana vokatra nahitana fiantraikany ratsy amin’ny varotra iraisam-pirenena. Voakasik’izany ny zon’olombelona, ny sosialy ary ny tontolo iainana any amin’ny orinasa eto Madagasikara.
Nisy ny ohatra noraisina niadiana hevitra, amin’ny seha-pihariana eto amintsika, izay hita fa nahomby, niteraka asa sahaza, nakana lesona.
Njaka A.