Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mandritra ny fotoana mampisahotaka ny olon-drehetra, izy tsy andrenesam-peo. Miezaka ny mizara traikefa amin’ny tanora sy ny fandraharahana no imatimatesany. Mbola mangina tanteraka ny lehilahy raha resaka politika. Mbola miompana amin’ny toekarena sy sosialy ny fampielezan-kevitra savaranonando ataony.
Samy manana ny paikadiny rahateo ny kandidà. Ny sasany mitety faritra. Ny hafa midina an-dalambe mitarika vahoaka. Ny laharana fahatelo, mampiasa «jokera», miandraikitra ny tontolo politika. Mazavabe ny fijoroan’ny vovonana isan-karazany sy ny komity mpanohana isan-tsokajiny toy ny Upar sy ny Armada. Manao angaredona amin’ny ho fampandaniana azy.
Amin’ny ankapobeny, miroso mankany amin’ny fahalanian’ny kandidà Andry Rajoelina ny rivotra politika, raha vao miroso amin’ny fifidianana. Tsy misy mipetrapetraka ny hery velona rehetra resy lahatra amin’ny tokony ho fanohizana ny ezaka vitany tao anatin’ny dimy taona. Ilaina ny fitohizan-draharaha mba hahatsapan’ny vahoaka ny ezaka vita. Iaraha-nahita fa maro ny asa sy fotodrafitrasa tafapetraka. Hirona amin’ny lafiny sosialy amin’izay ny filoha teo aloha.
Efa ambetiteniny sy novoizin’ny ekipany rahateo izany, mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasany, ny faha-9 septembra 2023. Mila fanohizana sy tsy maintsy faranana izay natomboka, ho an’ny tombontsoa iombonana. Marina, misy ny savorovoro sy ny fifandirana amin’ny ankolafin-kery isan-karazany saingy ny fiomanana sy ny fanomanana mandeha tsimoramora eny. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny kandidà laharana fahatelo sy ny mpanohana azy rahateo ny fanomezan-kasina manokana ny Malagasy tsivakivolo. Ny fivoizana ny firaisan-tsaina sy fo satria izay be no basy !
r.r