Tsy nandaitra ny ody ratsy nampiasain’ity mpimasy iray ity nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary Ambalabe Tsararano. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’io tanàna io, ny 25 septambra 2023 lasa teo. Nahazo angom-baovao ny zandary fa miafina ao Ambovonomby ireo dahalo nanafika tao Ambalabe ary mbola mikononkonona hanao fanafihana hafa indray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary miaraka amin’ireo fianakaviana niharan’ny fanafihana. Tratra tao an-tranona mpimasy ny dahalo roa. Teo am-panaovana sikidy sady milalao ody ratsy (mohara) izy ireo. Niroso tamin’ny fisamborana ny zandary ka noraisim-potsiny ireo roa lahy. Nitsoaka kosa ilay mpimasy antsoina hoe i Damé. Raikitra ny fifanenjehana saingy tsy nety nijanona mihitsy ity Dadarabe mpampandro dahalo ity. Vokany, tsy maintsy nitifitra ny zandary. Lavon’ny bala i Damé. Nambaran’ny zandary fa efa am-polo taona no nanaovany io asa ratsy mamatsy ody ireo dahalo mpanao fanafihana. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. Mitohy ny hetsika tagnamaron’ny fandriampahalemana satria ahitam-bokany izany rehefa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka, araka ny nambaran’ny zandary.
J.C