Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ! Efa ho telo andro no tsy tazatazan’ny fiarahamonina tao Tanambao Verrerie Toamasina, ny ramatoa iray vady an-defimandrin-dRakotoarison Germain Roda, 32 taona (tsy fantatra mazava ny asany). Raha ny angom-baovao, omaly maraina, nilaza hifindra trano izy ka nitatitra entana tamin’ny rambaramba (Kalesa hazo fitondrana entana). Nomeny ara-dalàna ny hofan-trano tao amin’ny trano nipetrahany teo aloha. Nitaona entana izy ka nampiakatra izany teo ambony kalesa hifindra ho any Ambalakisoa. Tsy nisy namana rahateo izy tamin’ny nampiakatra ny entana tamin’ny kalesa. Lasa izy niaraka tamin’ny kalesa. Nataony tao ambany armoara ny vatana mangatsiaka an-dramatoa vadiny izay efa simba tanteraka. Tsikaritry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambalakisoa ny fisian’ny fofona maimbo tamin’ilay kalesa. Voatery niantso sefo fokontany sy ny polisin’ny Fip ny fokonolona. Efa niahiahy zava-dratsy ihany ireo ka nisy ireo sahy nisava ny entana teny ambony kalesa. Akory ny hatairan’ny olona ny nahita fatim-behivavy efa simba tao ambany armoara sady nototofana kidoro eponza. Tsy naharitra ny olona fa nentin-katezerana ka nidaroka sy namono ity raim-pianakaviana ity. Tonga haingana ara-potoana anefa ny polisy ka voasoroka mialoha ihany ny fitsaram-bahoaka. Ny fampitam-baovao hatrany no nahafantarana fa jiolahy raindahiny sady midoroka zava-mahadomelina izy. Rehefa mamo izy, iharan’ny herisetra ny vady ka izao niafara tamin’ny fahafatesana izao.
Sajo/J.C