Tontosaina anio tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Nate Tex, ao anatin’ilay fampisehoana nampitondrainy ny lohateny hoe “Hiverina”. Ankoatra ny fampisehoana, Fotoana ihany koa ity hanehoana voalohany ny horonantsarin’ny hira “Hiverina”. Manodidina ny ora roa eo ny faharetan’ny fampisehoana ary efa nofantenan’ny mpikarakara sy ny mpandray anjara ireo hira tena nahafantarana an’i Nate Tex hatramin’izay.
“Voninkazo mifoha”, “Tsy afaka”, “Pejy faharoa”, “Mahatalanjona”… ireo no anisan’ny hira nahafantarana sy nankafizan’ny maro an’i Nate Tex. Malagasy mpahay kanto, anisan’ny nambabo ny maro amin’ny feony sy ny angolany. Mampiavaka azy ny fiangaliana hiram-pitiavana miaraka amin’ny gadona maro samihafa. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, nezahina nampidirina ao anatin’ny hira, mandritra ity fampisehoana ity, ireo hira tena nankafizin’ny olona. “Hiverina no lohatenin’ny fampisehoana satria manamarika ny fiverenana ato anatin’ny mozika indray noho ny tsy fahitana ny tarika tao anatin’ny fotoana vitsy”, hoy i Nate Tex . Raha ny momba ny hira “Hiverina” kosa indray, tantaram-pitiavana tena nisy no tantaraina ao anatin’izany, araka ny nambaran’ity mpahay kanto malagasy ity hatrany.
Lin