Raharaham-pirenena : Leo krizy ny Malagasy, mitaky ny hisian’ny fifidianana

Misafidy ny hirosoana amin’ny fifidianana ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana. Vahaolana tsara sy ilain’ny firenena izany, hisorohana krizy hafa, ankoatra ny fahasarotam-piainana izay tsy maintsy atrehina isan’andro. Fotoana ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay maneho hevitra malalaka. Sehatra iray, hametrahany izay filoha hitondra sy hitantana ny firenena. Fanadihadiana!

Randrianaivo Jean Aurore, mpanabe sy mpanakanto:
Tsy mbola mety tanteraka ny fampanantenan’ny mpitondra hanova ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. «Tsy misy afa-tsy ny fifidianana fa vao mainka mampiitatra ny fahantran’ny vahoaka sy ny adilahy politika efa nahazatra hatramin’izay ny fidirana amin’ny Tetezamita», hoy izy. Lalana tokana hametrahan’ny vahoaka ny filoha hitondra sy hitantana ny firenena indray ny fifidianana ka tsy tokony hahemotra. Ny fifidianana madio sy mangaraharaha efa notakiana sy niadiana foana hatramin’izay. Misy foana ny olana aorian’ny valim-pifidianana, raha ny zava-misy hatramin’izay. Na dia efa notakiana efa hatry ny ela aza ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Ho azy manokana, mpitondra manana tetikasa hanova ny rafi-piarahamonina hiverina amin’ny soatoavina sy ny kolontsaina ma­lagasy ny tsara ho lany amin’ny fifidianana.

Rakotonirina Jean de Dieu, mpamboly :
Mafana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ary atahorana ny hahatongavana amin’ny korontana. «Tokony hiroso amin’ny fifidianana ny firenena satria lalana tokana hamahana ny olana sy ny korontana misy eto Madagasikara izany», hoy izy. Nilaza izy fa lasa tafiditra anatin’ny fotoam-pahavaratra indray ny fifidianana andiany faharoa, raha sanatria ka mihemotra ny fifidianana. Ny olona mahavita ny asa nampanantenainy tamin’ny vahoaka no tsara hitondra ny firenena amin’ny dimy taona manaraka. «Tsy milamina ary mandroso mihemotra ny raharaham-pirenena ankehitriny», hoy i Rivo, olon-tsotra, monina etsy Ampitatafika. Nisafidy ny hanemorana ny datim-pifidianana amin’ny maintany izy satria tsy mandeha araka ny tokony ho izy na ny lisitry ny mpifidy na ny mpikambana mikirakira izany. Mila soloina avokoa ny rantsamangaika rehetra eo ani­von’ny Ceni.
Miandrisoa, olon-tsotra :
Tokony hilamina ny fiainam-pirenena eto amin’ny Nosy fa manakorontana izany ny mpanao politika, indrindra ny zava-misy amin’izao fotoana izao. «Firosoana amin’ny fifidianana ihany no maha vahaolana ary tsara sy mety ho an’ny firenena», hoy izy. Nilaza izy fa tokony ho azo antoka ny hisian’ny valim-pifidianana madio sy mangarahara satria efa misy ireo mpanara-maso natokana amin’izany, izay misolotena ny vahoaka malagasy rehetra. Mety hitarika amin’ny korontana eto amin’ny firenena aza raha sanatria ka miditra amin’ny Tetezamita indray ny firenena. «Aleo hiroso ny fifidianana ary izay voafidim-bahoaka eo no ekena hitondra sy hitantana ny firenena», hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Jirama. Nilaza izy fa tsy tokony hahemotra ny fotoam-pifidianana satria lasa mifampiampanga ny mpanohitra sy ny mpomba ny fitondrana.

Fifaliana, mpianatra:
Tena sarotra ary manahirana ny zava-misy sy ny raharaham-pirenena misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nilaza izy fa tsara kokoa ny hirosoana amin’ny Tetezamita satria ahiana ny mety hisian’ny hala-bato mandritra ny fifidianana. «Mety ho filoham-pirenena tsy ho lanim-bahoaka araka ny tokony ho izy sy araka ny safidim-bahoaka marina fa mety ho lany amin’ny hala-bato ny mpitondra hitondra amin’ny dimy taona manaraka», hoy hatrany izy. Nambarany hatrany fa tokony samy hanara-maso avokoa ireo kandidà tsirairay mandritra ny fifidianana, raha tsy maintsy hiroso amin’izany isika.
Rado, raim-pianakaviana:
“Misafotofoto ny raharaham-pirenena ankehitriny satria mety hitarika amin’ny krizy vaovao indray ny zava-misy amin’izao fotoana izao», hoy izy. Vahaolana tsara indrindra ny firosoana amin’ny fifidianana, raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Efa latsaka an-katerena ny firenena amin’izao fotoana izao. Lasa alavitra ny fahantran’ny vahoaka raha sanatria ka miroso amin’ny Tetezamita. “Tsy nisy fifidianana madio sy mangaraharaha mihitsy teto amin’ny firenena hatramin’izay, raha ny heviny manokana. Tsy maintsy misy foana ny hala-bato fa fififidianana ihany no vahaolana farany hamahana ny olana», hoy hatrany izy.

Voahangy, olon-tsotra:
Ny fifidianana no vahaolana tsara indrindra ho an’ny firenena. Fotoana iray ahafahan’ny olom-pirenena maneho ny safidiny ny firosoana amin’ny fifidianana. «Mety miha mitombo sy miha lalina indray ny korontana sy ny fahantran’ny vahoaka raha sanatria ka miroso amin’ny Tetezamita indray isika», hoy hatrany izy. «Manentana ny vahoaka malagasy mba hifidy satria zo sy adidy ny fanaovana izany», hoy hatrany izy. «Misavoritaka ny raharaham-pirenena ankehitriny ary tsy hitan’ny vahoaka in­tsony ny marina sy ny hitsiny», hoy kosa Nirina, olon-tsotra. Nilaza izy fa tsara ny hirosoana amin’ny fifidianana raha madio sy mangarahara izany.

Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou

Partager sur: