Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny “Slam Malagasy” ny eny amin’ny IFM Analakely, anio. Hianoka ny seho an-tsehatra atolotr’ireo mpifaninana 7, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ireo mpijery.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny « Slam Poèsie », andiany faha-14. Miisa 7 ireo tafita ho amin’ny dingan’ny famaranana, ho an’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, taorian’ny dingana faharoa notantarehina ny alakamisy lasa teo. Tanàna efatra amin’ireo folo nandray anjara kosa no hanao ny famaranana ho an’ny eo amin’ny isaky ny tanàna. Marihina fa izay voahositra laharana voalohany amin’ity fifaninanana ity, eo amin’ny sokajy olon-tokana no misolotena ny Slam Malagasy, mandritra ny fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tany, atao any Paris Frantsa, ny taona 2024.
Tonga eo amin’ny teboka farany ny hetsika « Slam national 14 ». Mpifaninana 7 tamin’ireo 20 no hiady ny laharana voalohany, anio. Vitsika, Orad, Konahy, Kalary, Conan, Santa ary Disquette. Ankoatra ny fifaninanana isan’olona, anisan’ny andrasan’ny maro ihany koa ny eo amin’ny isaky ny tanàna. Ny solontenan’ny tanànan’i Mahajanga, Antananarivo, Sambava ary Antsiranana kosa indray no hifaninana eo amin’ity sokajy ity.
Azo lazaina ho nizotra antsakany sy andavany ny “Slam national 14”, raha ny akon’ny seho rehetra nandritra ity hetsika ity no jerena. Atrikasa sy fampiofanana miisa dimy, niarahana tamin’ny matihanina eo amin’ny “Slam” no natolotry ny mpikarakara ho an’ny mpiangaly Slam. Teo ihany koa ny seho sy fifaninanana, sahala amin’ny “Slam à l’U” sy ny “Slam Media” ary ny “Slam partout” natao ho an’ireo tsy afaka niatrika ny fifaninanana nasionaly. Tanjona napetraka tamin’ity “Slam national 14” ity moa ny hanome sehatra ny vehivavy eo amin’ny “Slam poèsie Malagasy.
Lin