Sombim-baovao

Araka ny vaovao navoakan’ny kaomisionina vehivavy, baolina kitra eo anivon’ny FMF. Noto­loran’ ny Telma fanampiana ireo ekipam-pirenena, vehivavy, ny alakamisy lasa teo, teny Carion. Marihina fa hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup” ny 4 – 15 oktobra ho avy izao, izy ireo. Nanolotra fanampiana ihany koa ny filohan’ny Kaomisionina vehivavy FMF, Sandrine Michela.
Maro ireo Malagasy mpilalao baolina kitra mila ravinahitra any ivelany no efa mamiratra amin’izao fotoana izao. Anisan’izany i Loîc Lapoussin, lohalaharana Barea izay milalao ao amin’ny klioban’ny la Royal Union Saint- Gilloise (RUSG). Nandresy tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Racing White Daring de Molenbeek izy ireo, ary baolina tokana tafiditr’i Lapoussin no nitondra fandresena ho an’ny RUSG.
Mitohy ihany ny fifindrana mpilalao mankany Seychelles ho an’ireo mpilalao kitra malagasy. Ni­ainga ny talata lasa teo, hihazo ny klioba Tigers FC Sey­chelles, i Eddy Bastia sy Zinola. Tao amin’ny ekipan’ny Dato FC i Eddy Bastia no nilalao farany teto amintsika raha toa ka mpilalaon’i Ajesaia i Zinola.
“Mondial Rugby”.Hifanandrina amin’i Argen­tine i Chili, anio, any France. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “D”. Marihina fa manana lalao tara iray i Argentine ary eo amin’ny laharana fahefatra izy ireo raha toa ka farany i Chili.

Partager sur: