Tsenan’ny lavanila: niakatra 280% ny varotra tao anatin’ny telo taona

Ambony ny tsenan’ny lavanila tao Andapa nandritra ny telo taona niaraha-niasa tamin’ny USAID. Nanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ny vokatra azo sady nahafahana niaro ny tontolo iainana.

Tsara ny tsenan’ny lavanila tao Andapa tao anatin’ny telo taona. Tafaka­tra 280% ny varotra azon’ireo mpamokatra tohan’ny govenemanta amerikana tamin’alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). Varotra lavanila tsara kalitao indrindra izay nahatratra 4 tapitrisa dolara mahery. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fiarovana ny tontolo ianana. Nahan­gona karbaona maherin’ny dimy tapitrisa taonina ireo vokatra azo. Tetikasa izay nandraisan’anjaran’ireo tantsaha maherin’ny 3 000 miaraka amin’ireo orinasa mpanondrana lavanila eto an-toerana ary ireo sampandraharaha mi­araka amin’ny USAID. Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay nanampy ny kaoperativa hamokatra zanakazo maherin’ny 300 000, sy hanatsara ny fitantanana ny harena voajanahary amin’ny velarantany maherin’ny 5 000 ha. Etsy ankilany, mivelatra amin’ny sampana maro ny tetikasa noho izy nanatsara ny fitantanam-bolan’ireo Vondron’olona ifotony (VOI). Fantatra nandritra izay fa miisa 55 ireo vondrona miara-mitahiry vola entina hanatsarana ny sosialin’ireo tokantrano 435 isa.

Tombontsoa

“Na teo aza ny fiovaovan’ny tsenan’ny lavanila, nampidi-bola betsaka tamin’ny tantsaha ny firoboroboan’ny tsenan’ny lavanila tao an-toerana”, hoy ny talen’ny biraon’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo anivon’ny USAID-Madagasi­kara, Benjamin Skolnik. Ao anatin’izay koa ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasi­ka­ra i Etazonia amin’ny fiarovana ny zava-mananaina. Ma­hatratra 80 tapitrisa dolara ireo fandaharanasa nataon’ny USAID entina manatsara ny sosialin’ireo VOI sy hanamafisana ny fitantana ny harena voajanahary. Ao ihany koa ny ady amin’ny fanondranana biby antsokosoko sy ny fiarovana an’ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna.

Henintsoa Hani

Partager sur: