Mahavelona sady mampidi-bola isan’andro ny fivarotana “jus fary”. Mahalany fary hatramin’ny 4 t ny mpivarotra iray rehefa mandeha ny tsena. Manodidina ny 120 000Ar kosa ny vola maty isan’andro. Mitaky herin-tsandry ny fanodinana ny masinina mitoto ny fary.
Omena tari-dalana ho amin’ny fanondranana lohamenaka any amin’ny tsena amerikana ireo mpisehatra amin’izany. Nisy ny tahirin-kevitra mirakitra ireo fomba fanondranana nomena azy ireo. Ahafahany mamantatra ny fepetra takin’ny tsena sy hanampy amin’ny fandefasana entana mankany Afrika Atsimo sy Etazonia izany.
Mitentina 2 lavitrisa Ar ny tetibola hiantohana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny vanim-potoana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Natao handoavana ny tambin-karaman’ireo mpitandro filaminana miasa mandritra izay vanim-potoana izay io teti-bola io.
Hanao ny dingana samihafa hahafahan’i Madagasikara hiditra ho mpikambana ao anatin’ny Vondrona afrikanina mikasika ny filaminana ana habaka sy ny fiarovana ny torohay mikasika ny olona tsirairay avy. Tanjona ny hijerena ny fifandanjana eo amin’ny fiarovana ny fahalalana fototry ny tsirairay. Eo koa ny fampiroboroboana sy ny fampiasana ny teknolojia vaovao.