Maty tsy tra-drano ny dahalo mpaka an-keriny telo lahy. Tanàna telo samihafa anatin’ny distrikan’Anjozorobe, no nisehoan’izany. Hetsika nataon’ny zandarimaria ny zoma sy sabotsy lasa teo. Efa ikoizana amin’io asa ratsy io izy ireo ka nahatonga ny hazalambo. Tompon’antoka tamin’ny fanatontosana trangana fakana an-keriny tao amin’ ny kaominina Amparatanjona sy tao Miakadaza, kaominina Betatao izy telo mirahalahy maty voatifitra ireto.
Mitotaly 11 ny olona nalain’ny ekipan-dry zalahy ireto an-keriny tao amin’ireo kaominina roa ireo. Nandray anjara mivantana tamin’ny sarintsarina fakana an-keriny niseho tao Kamanja, distrikan’Anjozorobe, ny 6 septambra teo koa izy telo lahy. Nanao fanadihadiana lalina ny zandarimaria. Vokany, sarona tao Ampetsapetsa, kaominina Mangamila ny jiolahy iray. Tratra tany Andranonahoatra, kaominina Marovazaha ny namany ary voatifitra tao Besofina, kaominina Betatao ny fahatelo.
JC