Niray fo, niara-nahatsiaro, niara-niantsa, ary niara-nankafy ny haikanto navelan’i Georges Andriamanantena na i Rado, ny taranany sy ny mpankafy haikanto malagasy. 15 taona aty aorian’ny nahafatesany, mitoetra hatrany ny zava-bitany.
Feno 100 taona omaly ny nahaterahan’Andriamanantena Georges, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Rado”. Nisy ny hetsika “Antsam-panahy Hiram-bavaka”, natao tao amin’ny fiangonanana FJKM Tranovato Faravohitra, omaly, nikaloana ireo hiram-pivavahana noforonin-dRado. Raha tsiahivina, ny 1 oktobra 1923, teto Antananarivo ity Malagasy mpahay kanto ity no teraka. Ankoatra ny mahapoeta azy, nanoratra sy nisehatra teo amin’ny asa fanaovan-gazety ary nanao hosodoko ihany koa Andriamanantena George. Ny maha poeta sy mpanoratra azy anefa no tena nampisongadina azy. Maro amin’ireny asa soratra nosoratany ireny no mbola mitoetra sy manana ny maha izy azy ankehitriny. Misy aza no tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra mihitsy. Maty namela mamy, tahaka ny tantely no azo ilazana an’i Georges Andriamanantena, na i Rado. Nahatsiaro azy ireo taranany ka nanolotra seho miavaka nentina nahatsiarovana azy. Nanakoako teny amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra, ny “Mba tantanonao ry Raiko”, “Mamiko loatra”, “Aza avea”… Sy ireo hiram-pivavahana noforonin’i Rado, izay ho raketina anaty boky hivoaka tsy ho ela. “Dinitra”, “Ando”, “Zo”, “Sedra” … ireo no anisan’ny asa soratra tena nisongadina tamin’ireo nosoratany izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana amin’izao fotoana izao.
Ankoatra ny fahatsiarovana nokarakarain’ny fianakaviana. Maro ny hetsika karakarain’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ho fahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanoratra ity.
Lin