Valanaretina covid-19, krizy vokatry ny adin’i Rosia sy i Ukraine, fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no ady atrehin’izao tontolo izao tato ho ato izay, tsy mahafa-bela tanteraka. Anisan’ny manahirana amin’izao ny fiovaovan’ny toetr’andro, saika tafahoatra: mahafaty olona rehefa tena mafana, mahatondra-drano raha vao avy orana… Miovaova be ihany, ohatra, ny taom-pamokarana sy ny vokatra azo amin’izany. Na izany aza, tsy maintsy atrehina: ady fiady. Mandindona an’izao tontolo izao ny tsy fahampian-tsakafo sy ny mosary.
Mitatao na ahina mandrakariva ny fahasahiranana. Nefa mbola misy ny minia manampy trotraka izany? Manoatra no ho ny fiovaovan’ny toetr’andro, miovaova be ihany amin’izay lazainy sy ataony ny mpanao politika sasany amin’izao fiatrehana fifidianana izao. Mby ao an-tsaina amin’izany ny vondrona kandidà: milaza ho vonona amin’ny fiatrehana fifidianana, ohatra, nefa manao izay tsy hahatanteraka izany. Takina ny fepetra amin’izay mahametimety ny tena. Inona izany ny rafitra sy lalàna efa nanapaka ny amin’ izay?
Tarazo politika ratsy ny hoe rehefa izay mihevi-tena ho maro anisa no mihetsika sy miteny dia marina, ekena, mahasoa… Tsy hisy zava-banona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, raha tsy ny sitrapo sy ny haitraitrain’ny tena no tanterahina? Miovaova isaky ny mihetsika, saika isan’andro. Ho tonga hatraiza? Loza iray, loza roa… Ny fiainam-bahoaka no korontanina, rehefa tsy voalamina an-taratasy sy any an-dapa ny raharaha. Nefa mazava izao fa politika io, arakaraka ny fifandanjan-kery. Ho azo amin’izany ve ny vahoaka?
Mba hisy mahatsiaro ve ny vahoaka rehefa tonga amin’izay tadiaviny sy kendreny izay manao tohatra fiakarana azy amin’ny fiovaovana toetra… hambo?
R. Nd.