An’arivony ireo olona nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana teny anivon’ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, nandritra ny telo andro nisesy. Nisy ny fandidiana tsotra toy ny hernie sy ny sima, fizahana ny goatra, taovam-pisefoana, vavony sy tsinay… teo koa ny fanarenana ara-batana amin’ny alalan’ny otra.
Hanatanteraka fihaonambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampinatra (Seces)Antananarivo, anio, ao amin’ny fakiolten’ny siansa. Tsy misy mangirana ny fitakiana hatramin’izao izay mampikatso ny fampianarana efa ho 3 volana izao. Milaza ny hanamafy ny hetsika izy ireo amin’ity herinandro ity.
Tany Matsiatra Ambony no nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny herinandro teo. Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, vonjy aina sy andry iankinan’ny fampandrosoana maharitra, no lohahevitra novoizina. Mbola maro no tsy resy lahatra amin’ny fampiasana ny fandrindram-piterahana ny mponina ambanivohitra.
Tanterahina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny famaranana ny hetsika “caravane medicale” izay nitety faritra nandritra ny taona. Anio no handalo ao Antsirabe II ireo karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Any Mananjary sy Manakara ny 4 oktobra. Any Farafangana sy vangaindrano kosa ny faha-6 oktobra, ho avy izao.