Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Hiatriaka lalao ara-pirahalahiana roa anatin’ny varavarakelin’ny Fifa, ny 9 – 17 oktobra ho avy izao, any Marôc, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no hitondra vonjy maika ny ekipam-pirenena Barea mandritra io fe-potoana io.
Nomarihin’ny FMF tamin’izany fa ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’ny Barea amin’izany. Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny lisitra mety ho avoakan’ny Coach Rôrô, izay azo lazaina fa amin’ity herinandro ity no antenaina hivoaka izany. Tsiahivina fa ady sahala roa no azo tamin’ireo lalao roa farany tamin’ny fifanintsanana “Can 2023” rehefa nitondra ny ekipam-pirenena ny Coach Rôrô.
Anisan’ireo mpanazatra manana vokatra tsara i Rôrô. Nahazo ny laharana fahatelo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tsy misy mpilalao milaravinahitra “Chan Algerie 2022”. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notontosaina teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo.
Tsara ny mampahafantatra fa hisy fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, ny sabotsy 14 oktobra ho avy izao. Miisa dimy ireo kandidà nirotsaka hofidina amin’izany. Raha toa ka 49 ireo hofidiana ho Komity mpanatanteraka.
Fitia Randria