Lemaka voatondraka, Beboka: hamoka-bary 6 300 t fanampiny isan-taona

Paikady mampitombo ny famokarana ny fanamboarana sy fanarenana lemaka. Tombanana hitombo hatrany amin’ny 6 300 t isan-taona ny voka-bary azo ao amin’ny lemaka voatondraka, Beboka.

Misesisesy ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa hampiroboroboana ny famokarana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madaga­si­­kara. Ankehitriny, vita ny 94% amin’ny tohodrano Be­bo­ka ao amin’ny distrikan’ Antsa­lova, faritra Melaky. To­hodrano anisan’ny hanampy ny famokarana any an-toerana sy ho tombontsoan’ny mpamokatra. Tanjona ny ha­hazoana vary akotry fa­nam­piny hatrany amin’ny 6 300 t isan-taona. Tan­tsaha mpamboly maherin’ny 1 000 no hi­sitraka ny fotodrafitrasa, ao anatin’izay ireo fi­kam­ba­nana mpampiasa ny rano mi­isa efatra sy federasiona iray. Velarantany 50ha monja no novolen’ireo mpamboly tao amin’ny lemak’i Be­boka nandritra ny taona maro noho ny tsy fahampian’ny rano hanodrahana. Ho afa-pahasahiranana avokoa ny tantsaha aorian’ny fahavitan’ny tohodrano. Fotodrafitrasa notontosain’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ny tetikasa ho fampandrosoana ny faritra Menabe sy Melaky (AD2M), izay vatsian’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena (FIDA) vola.
Hitombo ny vokatra
Mivelatra ka afaka manondraka velarantany hatrany amin’ny 1 600ha amin’ny taom-pamokarana ho avy ny tohodrano. Hanampy hatrany amin’ny 500 ha amin’ireo voly avotra ihany koa izany. An­koatra izay, nahafahana na­nondraka tanimbary 115ha ny lemak’i Namatoana ao amin’ny kaominina Antanifotsy, distrika Soanierana Ivongo. Ma­nodidina ny 345 t ny vokatra andrasana ao an-toerana. Raha toa ka vary 180 t ny voka-bary andrasana ao amin’ ny lemaka Sahasoa. Tanjona ny hampitombo ny vokatra sy hahatsara ny fari-piainan’ny tantsaha, ialana amin’ny fa­nimbana ny tontolo iainana.

Henintsoa Hani

Partager sur: