Mollos Park: foibe fikotranana sy fialana voly

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady, eny Ampandrana andrefana ny Mollos Park, toerana fikotranana sy fialamboly eto an-drenivohitra. Tsy mitovy amin’ireo rehetra efa misy, noho izy tsy anaty efitrano fa amin’ny kianja malalaka voahodidina zava-boahary sy azon-drivotra tsara. Maro karazana ny azo hanatanjaham-batana ao, toy ny fanabokonana hozatra, ny fakàna tanjaka ara-batana. Misy coach 2 vavy sy 1 lahy, havanana sy ampy traikefa hanoro hevitra ho an’ireo tonga ao. Ankoatra izay, toerana fialana voly ihany koa ny Mollos Park. Misy toerana filalaovana ho an’ny ankizy, toy ny tsipy kanetibe, ny “billard” ary fanaovana Zumba Fitness. Afaka hitsangantsanganana ihany koa.
Ny coach Richard, niara-niasa tamin’i Jean Claude Van Damme, tamin’ny taona 1974-1977, tany Belgique fony izy mbola tsy mpilalao sarimihetsika no vy nahitana sy angady nananana, ny Mollos Park. “I chavire vole” na hanala azy no teny filamatra, ho an’ity toerana fikotranana ity. Mam­piavaka azy ny fananany toerana fanaovana Ninja Warrior izay hany tokana misy izany aloha eto Antananarivo.
2000 Ar ny sarany ka tsy misy fetra ny fikotranana ao. Tanjon’ny tomponandraikitra ny hitaiza ireo tanora amin’ny fanatanjahantena hiadiana amin’ny fidonana-poana ka mitarika any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetra ary ny halatra.
Maniry, ny hiara-kiasa amin’ireo federasiona, amin’ny fanomanana ny ekipam-pirenena hiatrika fihaonana iraisam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ary ny Komity olympika malagasy (KOM) ny Mollos Park.

Torcelin

Partager sur: