SOMBIM-BAOVAO

Niainga teto an-tanindrazana omaly, ny delegasiona miisa 30 ho any Afrika Atsimo, hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup”. Miisa 23 ireo vehivavy mpilalao mandrafitra ny Barea. Tsiahivina fa hatao any Afrika Atsimo ny 4 – 15 oktobra ny fifaninanana. Anatin’ny Vondrona “A” misy an’i Afrika Atsimo, Eswatini, Malawi ny vehivavy Barea.

Basikety “Road to BAL”. Ekipa 3 no hifaninana amin’ny dingana voalohan’ny fifanintsanana “Basketball Africa League”, hatao eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra izao. Ahitana ny Uzhindzi Club ao Kaomoro, ny Beau Vallon Heat ao Seychelles ary ny Cospn Madagasikara.

ASIEF. Tontosa ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny “Conclave” nataon’ny teo anivon’ny Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires). Maro ny fanovana sy fanatsarana natao. Ho entina eny anivon’ny andrimpanjakana sy ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena ny hevitra tapaka.

Partager sur: