Madajazzcar. Hanokatra ny « Festival International Madajazzcar », ny 5 oktobra 2023, eny amin’ny IFM Analakely, ny tarika « Festen » sy 4/4. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona amin’ity andiany faha-34, amin’ny “Festival International Madajazzcar”, ity ny hampifangaroana ny mpiangaly Jazz, tanora sy efa ela niangaliana.
“Diary nofy”. Miditra amin’ny andiany faharoa ny “Diary Nofy” amin’ity taona ity. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny fitiavana mamaky boky sy hampihena ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara. Mpahay kanto malaza maro no miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fampanjariana ity tetikasa ity.
“Caravane du livre et de la Lecture ». Anisan’ ny mandray anjara ao anatin’ny « Caravan’iles. Caravane du livre et de la lecture » ny eto Madagasikara. Hetsika natao hanomezana lanja manokana ny boky sy ny tontolony. Ho an’ny eto Antananarivo. Eny amin’ny trano famakiam-boky Mille Feuilles sy La Canopée no ahitana izany.
“Lamba”-Jacques Rabemanajara. Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny 5 oktobra 2023, ny hetsika hiantsana ny tonokalon’i Jacques Rabemananjara. Hisongadina indrindra ao anatin’izany ny tonokalo “Lamba”. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fampirantiana hanomezana lanja manokana ny Lamba.