Naratra mafy, voatifitra teo amin’ny loha sy ny fitombenany ny lehilahy mpanao afera. Lasan’ny jiolahy ny vola 9 000 000 Ar sy ny vovo-bolamena 61 gr.
Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, voaroba ny vola mitetina 9 500 000 Ar niaraka tamin’ny vovo-bolamena 61 grama. Lasibatra ny mpisera roa lahy tao Ambatonakanga, fokontany Fiherenantsoa, kaominina Sahatsiho/Ambohimanjaka, ny alin’ny alakamisy 28 septambra teo. Hamonjy fodiana izy mirahalahy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nifanehatra tamin’ny olon-dratsy miisa valo anefa izy ireo. Tsy afa-namaly, voaambana tamin’ny basy sy zava-maranitra ireto mpivarotra volamena ireto. Nikasa hamaly ilay zokiny kinanjo voatifitra teo amin’ny lohany sy ny feny. Voaroba ny vola an-tapitrisany niaraka tamin’ny vovo-bolamena teny amin’izy mirahalahy. Nitsoaka nandositra ireo tsy valahara.
Nentina any Antsirabe
Efa voan’ny bala teo amin’ ny faritry ny lohany sy ny tongony, tsy maty saingy naratra mafy ny iray tamin’izy roa lahy voaroba. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana ao an-toerana ka nijery ifotony ny toe-java-nisy tamin’io fotoana io. Nitsoaka nihazo nianandrefan’ny tanàna nanaovany fandrobana ireo valo lahy, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Nentina tao amin’ny CSBI ao Fiherenantsoa ilay naratra mafy ary nampakarina ao Antsirabe manohy ny fitsaboana. Mitohy ny fikarohana sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana hanatrarana ireo nahavanon-doza.
Tsiferana R.