Anolaka-Fianarantsoa : mpampiady akoho maty novonoina

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana tao amina tokantrano iray ao Anolaka, fokontany Antanifotsy IV, kaominina an-drenivohitr’i Fianarantsoa. Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Mpampiady akoho ny asany ka ahina ho misy ifandraisany amin’izao raharaha izao. Naratra nandritra ny fanafihana koa ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy. Voaambana basy izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Anisan’izany, ny fahitalavitra iray miloko lehibe. Lasa nitsoaka kosa ireo mpanafika rehefa nahazo ny entana tao an-trano. Nentina nihazo ny hopitalibe CHU Tam­bohobe Fianarantsoa ireo mpianaka naratra. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ankofafa sy Ampasambazaha.

J.C

Partager sur: