Manomboka anio ka hatramin’ny sabotsy izao ny « Herinandron’ny fampandrosoana lovainjafy », andiany voalohany, hatao etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ny 15% amin’ny paikady nofaritana ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) ihany no mandeha araka ny tokony ho izy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mbola ireo ihany koa no mety ho tratran’i Madagasikara amin’ny taona 2030 raha mitontongana kosa ny 85% ambiny. Maro samihafa ny antony mahatonga izao vokatra izao, toy ny Covid-19. Bokan-trosa ihany koa ny ankamaroan’ny firenena andalam-pandrosoana ka sarotra ny hahatrarana ny ODD, manamafy izany ny vidim-piainana izay tsy mitsaha-miakatra. Ankehitriny, eo amin’ny laharana faha-156 amin’ireo firenena 166 no misy an’i Madagasikara eo amin’ny resaka fandrosoana.
Horesahina mandritra ny “Herinandron’ny fampandrosoana lovainjafy” ny tomban’ezaka sy ny vina hapetraka ho an’ny fito taona manaraka, mba hahitam-bahaolana sy hoentina hanatsarana ny vita teo aloha. Handray anjara amin’ny hetsika, ny zoma izao, koa ny tompona orinasa isan-karazany, ao ihany koa ireo matihanina eo amin’ny andraikitra ara-tsosialy (RSE).
Vina
Tanjona ny hananganana ho avy mamiratra ho an’ny fampandrosoana lovainjafy. Marihina fa manana andraikitra goavana amin’ny fandrosoana eo amin’ny firenena ny fampandrosoana ny RSE. Andraikitra goavana izay fototry ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fivoarana ny mpiasa ao aminy.
Lohahevitra horesahina, anio, ny momba ny fomba fisakafoana. Ao anatin’izay ny fihinanana diso tafahoatra sy ny fanimbana ny sakafo. Ankoatra izay ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-kibon’ny tany.
Henintsoa H.