Fampiroboroboana ny famokarana: tokony hisitraka fampindramam-bola ny tantsaha

Tsy afa-miala ao anatin’ny tontolon’ny famokarana ny resaka famatsiam-bola, ahafahana mampivelatra ny fihariana. Manao ady sisika amin’ireo mpisehatra ara-bola ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao amin’ny faritra Menabe, hanomezana tolotra manokana ho an’ny kaoperativa. Mbola marefa ny kaoperativa ka tokony hisitraka tolotra manokana ahafahany mampiroborobo ny famokarana ataony. Nisy ny fampihaonana ny tantsaha mpamokatra sy ny mpisehatra ara-bola tao amin’ny faritra Mena­be, ny herinandro teo. Tanjo­na ny hifanakalozan-kevitra eo amin’ny roa tonta. Nampa­hafantarina ny mpamokatra ny tolotra omen’ireo mpampindram-bola madinika. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa ma­hom­by sy maharitry ny roa tonta.

Toekarena
Mpisehatra voalohany eo amin’ny sehatry ny toekarena ao amin’ny faritra Menabe ny kaoperativa. Ivon’ny fampandrosoan’ny toekaren’ny faritra ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana mifandraika amin’izany. Mila jerena, araka izany, ny fomba hampivelarana ny seha-pihariana, hanampiana ny tantsaha ary hampitomboana ny famokarana ataony. Marihina fa tantsaha avokoa ny 80% amin’ny Malagasy, raha ny antontanisa.

Henintsoa H.

Partager sur: