FANTINA sy FINTINA

Handray ireo sokajin’olona samihafa ny kandidà Rajoelina Andry, anio, eny Ivandry. Anisan’izany ny fikambanana tanora sy ireo mpanao fanatanjahantena. Eo koa ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny olom-boafidy toy ny depiote sy ireo loholona ary ny ben’ny Tanàna.
Tandindonin-doza indray ny firenena, araka ny fanehoan-kevitr’i Dama, tarika Mahaleo, omaly. Nohitsiny fa manampatra fahefana tafahoatra ny mpitondra amin’izao fotoana. “Vitany ny mampiasa ny lalàna eo am-pelatanany hanamafisana ny fanaparam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy avelanay ho entin’ny filoham-pirenena vazaha ny firenenay”, hoy izy.
Mijanona ho mpampihavanana sy ho mpanelanelana ny filohan’ny Apokalypsy, raha ilain’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filohany, ny pasitera Mailhol, omaly. Tsy manana kandidà ho tohanana ny fiangonana tarihiny amin’izao fifidianana izao. Na izany aza, malalaka amin’ny fapanahan-keviny kosa ny antoko GFFM, tarihiny.
Samy naneho firaisankina amin’ireo kandidà 11 ny any amin’ny faritra. Anisan’izany ny tao Toliara, tao amin’ny kianjan’ny demokrasia. Tahaka izany koa ny tany Fianarantsoa, tao amin’ny Magro. Vonona ny hanohy ny tolona ary manohana tanteraka ny hetsika fitakiana ihany koa izy ireo hametrahana ny tany tan-dalàna.

Partager sur: