Hitokona sa hifidy ?

 

Vita iny ny omaly ! Ny ambany ihany no mafy fa nilamina ny tanàna. Tsy nisy ny korontana sy ny endrika fandikan-dalàna ka mety nitarika fandrobana na fanimbana fananam-bahoaka. Voafehy ny toe-draharaha teto an-drenivohitra. Samy namonjy fodiana ny rehetra rehefa samy avy namita ny adidiny teny an-toerana: ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana.
Tsy hijanona hatreo anefa ny fidinana an-dalambe fa karazany vaky lay na vava asa, fanombohan’ny tolona ho lavareny izy iny. Izay indrindra no tokony hahamailo ny vahoaka malagasy. Tsy hijanona amin’ny vokatra politika ilay tolona, fa tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay. Hisy ny « sorona » tsy fidiny dia ireo ho tapaka fidiram-bola sy hosahirana hitady ny hohanina isan’andro.
Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina ny sarambaben’ny olona. Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy misy ny mpahazo tombony ary hisy ny ho fatiantoka. Mazava be, ny samy madinika ihany no ho tena voa mafy. Ny mpanam-bola sy ny mpitarika politika, ary ny fianakaviany, tsy maintsy higalabona any anaty « fahampiana ». Ny tsy manana na ny kely eo am-pelatanany aza mety hafoy. Tsy ho moramora !
Ny fididianana ihany no hany vahaolana amin’ny savorovoro politika misy, ankehitriny. Samy maneho ny fahavononany rahateo ny mpisehatra rehetra. Fandavan-tena sy fandeferana avy amin’ny hery velona rehetra dia roso tsy mipody koa. Marina, mbola henjankenjana ny fifandroritana sy fampisehoan-kery, saingy tsy misy mafaika toy ny sakay fa telina ihany rehefa teny ierana.
Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra ho tompon’ny fahefana rahateo. Any amin’ny vahoaka ny lakile. Na hitokona na hifidy?

r.r

Partager sur: