Lalao Olympika 2024: ho any Tunisie ny Makis 7 Ladies

‌Hotanterahina any Tuni­sie, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hanaovana ny lalao Olympika 2024, izay hatao any Paris. Araka ny vaovao nampitain’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotoma­lama Marcel, ny alahady 1 oktobra lasa teo. Hanainga ny 11 oktobra izao ny vehivavy Makis, miisa 15, delegasiona ho any an-toerana.

Nomarihiny ihany fa ireo mpilalao niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny lalaon’ ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra ihany no mandrafitra ny ekipa. Nandrombaka ny medaly volamena ny Makis tamin’izany ary nataon’izy ireo tsy nitoko avokoa izay mpifanandrina taminy.
Tsiahivina fa efa niatrika ny “World Rugby Challeng” Se­ries, lalaovin’olona fito, izay natao tany Afrika Atsimo, ny volana avrily lasa teo ny Makis, sokajy vehivavy. Tsara ny mampahafantatra fa ny volana septambra lasa teo, tany Zimbabwe, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana ny Makis 7, lehilahy. An­te­naina fa hitondra vokatra tsara ho an’i Madagasikara ireto mpilalao ireto ary hanandratra indray ny voninahi-pirenena malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: